Titre: Vatolahy
Auteur: Bekoto
Paroles:

Ho fahatsiarovana ny ady taloha
vatolahy no natsangana ambony loha
mijoro ary miandrandra lanitra
raraho tantely mba ho manitra

Naharesy an-ady ireo olona
nampandry tany sy ny fanjakana
najoro ny vatolahy ho masina
hotadidin'ireo ho taranaka

Ref. 2 fois
Vizana ve ialahy tadidio
ny ady tsy ho vita anio
fa mbola misy foana any ho any
Raha mbola tany ihany ny tany

Miova loko tokoa rafahavalo
Ao ny mosary ao ny dahalo
ankehitriny dia vola no iriana
ny olona mitondra hira fijaliana

Aza mba ariana ireo namana
fa mihasarotra anie ny lalana
mba ho vatolahy ny fiarahana
Dia anjakan'ny fahasambarana

Ref. 2fois
Liste des partenaires:


KanToPro Tous : mail@mahaleoalolympia.com